You are here: home > Vetso

NY POLITIKAN'NY TROSA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






NY POLITIKAN'NY TROSA





Ny politikan'ny trosa,
tsy hevi-pandaharana
raha tiana ho tontosa
ny hahalala fivoarana.




Ny politikan'ny trosa
dia lalam-pamonoana
ny firenena tsy hisosa
ho lavi-pandrosoana.




Ny politikan'ny trosa
dia safidim-panjakana,
n'inona n'inona ny fosa :
tsy hanala fahantrana.




Ny politikan'ny trosa
raha mbola ifikirana
dia mainka hiavosa
ny zava-manahirana.




Fredy JAOFERA