You are here: home > Vetso

NY RENY TSY SARORO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY RENY TSY SARORO





Ny reny tsy saroro,
n'aiza n'aiza aleha
fa toky mampijoro
vao kivy eny ange.




Ny reny tsy saroro
raha manam-pitia
fa ilay manorotoro
hahavanona ny dia.




Ny reny tsy saroro
hahapotika ny tena
fa mahay mandoro
ny ratra mahonena.




Ny reny tsy saroro
sy olo-manambany,
harena tsy mikoro
maharavo sesilany.




Fredy JAOFERA