NY RIVODRIVOTRA MARAINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RIVODRIVOTRA MARAINA





Ny rivodrivotra maraina
raha anio ka tantaraina,
mitondra ahy fitoniana
tonga azoko itokiana !




Ny rivodrivotra maraina
raha anio ka antenaina,
mahafinaritra aok'izany,
mamoha ho azy ny tany.




Ny rivodrivotra maraina
raha anio ka mba ilaina,
mitsoka eto moramora
ny fitahiana vao tanora.




Ny rivodrivotra maraina
raha anio ka dia lalaina,
mandamina tanteraka
ny saina tsy ho reraka.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
851 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 07/05/2023 21:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114