NY SARINAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SARINAO






Ny sarinao no jerijerena
rehefa mba ory
fa mbola, hoe, volamena
manova ny tory.



Ny sarinao no tena ilaiko
rehefa mba manina
hampitonymoa ny saiko
vao mitady hanina.



Ny sarinao no haravoana
rehefa tokana re
hanova ny fanadinoana
tsy hirongatra be.



Ny sarinao no fanafodiko
rehefa misy hitomany
ra' topazana fa tsy ahodiko,
ry mamiko hatrany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
1330 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0158