NY SARY (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SARYNy sary no mamelona
ireny fahatsiarovana
halan'ny olombelona
toy ny fandalovana.
Ny sary no mampiaina
ny Lasa izay nodiavina
raha toa ka tantaraina
ireo fotoana notiavina.
Ny sary no mampifaly
itony fo amam-panahy
rehefa jerena ny omaly
feno mamy teny, lahy !
Ny sary no mamoaka
ny alahelo sy tomany
ka zary mampipoaka
ny sento tsy hita lany.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Embona - Ahy - Fahatsiarovana - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy
