NY SENTOKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SENTOKO





Raha sendra manjombona moa ilay any,
ahoana ny aty no tsy mba hangoraka ?
Raha sendra mijaly sy be tomany,
ny hatraty avy no toa voatoraka.





Raha sendra manorana ny any am-pita,
ahoana re ny aty no tsy mbola hiaro ?
Raha sendra misento ilay mba tsy hita,
ahoana tokoa aho no tsy hahatsiaro ?





Raha sendra midona ny any Ankaratra,
ahoana kosa ny aty no ho lavorary ?
Raha sendra ory ilay mba tsy taratra,
ahoana tokoa aho no tsy mbola harary ?






Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1075 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 03/02/2017 10:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01