NY SORATRA (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SORATRA





Tsy maty ny soratra
fa matory mangina
efa ela namokatra
ireo fangirifiriana.




Ao re no mitoetra
ny alahelo moana
mbola feno tsetra
ka mahory foana.




Ao re no mijanona
ny ratra tsy nilaina
ka tsy nahavanona
ny nofy nantenaina.




Ao re no mitahiry
ny hafaliana maro
izay mbola mikiry
ho entin'ny tsiaro.




Ao re no mitondra
ny fitia tany taloha
mba ho diamondra
nefa, indrisy, moa.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
7 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 02/08/2026 03:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0108