NY TALOHA, TALOHA FOANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TALOHA, TALOHA FOANA




Ny taloha, taloha foana,
na ahoana, na ahoana
matoa lasa mankany
ny saina eto an-tany.



Ny taloha, taloha foana
raha eto re tsy moana
mikalokalo moramora
ny fitia tsy nigoragora.



Ny taloha, taloha foana
raha taza-manoloana
ilay salovan-tavanao
manilo tsy mandao.



Ny taloha, taloha foana
any fa dia mahanoana,
toa mampite hamerina
ny nisy raha heverina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
243 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0118