NY TENAKO SISA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENAKO SISA




Ny tenako sisa
no eto mahatsiaro
ka inty mitanisa
ireo vazivazy maro.



Ny tenako sisa
no miteniteny irery
ka mamisamisa
ny hoavy tsy an-tery.



Ny tenako sisa
no mitady haravoana
ka dia mila kisa
fa tsy mety hikaloana.



Ny tenako sisa
no misento mangina
ka mampikorisa
ny penina re, ry tiana.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
486 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0122