NY TENINAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENINAO




Ny Teninao no jiroko,
ô ! Ry Tompo be fitia,
ka tsy hohalaviriko
fa hitsilo itony dia.



Ny Teninao no lalako
maharavo ny fanahy
ka tsy mba ho halako
fa mainka aza hitahy.



Ny Teninao no heriko,
n'aiza n'aiza no aleha,
sy hany mba fijeriko
mamelona eto ange.



Ny Teninao no tokiko,
mamy foana sesilany ;
ny baiboly no bokiko
manova tsy hita lany.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1184 1
Fans: 03314
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117