NY TONGOTRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TONGOTRA




Ny tongotra no lasa ambony
ka tsy hitany ny manahirana
raha fanina mitady rongony
sy mijaly tsy misy ifîkirana.



Ny tongotra no lasa ambony
ka ny loha tsy afa-mandeha
raha indro fa marary vavony
sy andosiran'ireo rehareha.



Ny tongotra no lasa ambony
ka mitsotsorika ny fitahiana ;
atsy ho atsy dia hitafy gony
ny hoavy tsy nohadihadina.



Ny tongotra no lasa ambony
ka tsy misy loatra ny saina ;
naninona moa no toy itony
no voafidy raha hazavaina ?




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
668 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0119