NY TSINDRY HAZO LENA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSINDRY HAZO LENA



Ny tsindry hazo lena
dia mari-pahalemena
ara-tsaina sy fanahy
ka tsy mahay miahy.



Ny tsindry hazo lena
dia tanjom-panerena
rehefa tsy tafavoaka
izay ilain'ny vahoaka.



Ny tsindry hazo lena
dia asam-pambolena
ireo jaly sy korontana
ka andao ongotana.



Ny tsindry hazo lena
dia endri-paharesena
tsy antenaina etoana
hivatsy fandrosoana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
538 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0124