NY TSIRON-DRAY (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSIRON-DRAYNy tsiron-dray
dia fahatsorana
tsy indraindray
rehefa nizorana.
Ny tsiron-dray
dia fananarana
mety namaivay
fa namaharana.
Ny tsiron-dray
dia fahazavana
tsy mivoy inay
na fahadalana.
Ny tsiron-dray
dia hamamiana
maro be voaray,
na dia mangina.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana - fiainana - fananarana - Fampaherezana - Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo - Alahelo - Aingam-panahy - ahy
