You are here: home > Vetso

NY VADIKO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





NY VADIKO





Vavaka iray no natokako ho antsika,
Vaovao ombieny sy mihatsara bika,
Vita tsianjery sy aina ao anaty,
Velona hatrany ka mbola soraty !



Ekena tanteraka ny fo miara-dia,
Eritreritra mandry sy efa tabiha ;
Ela ny ela ka ny tia sy ny tiana,
Endrey tafaray fa tojo fitahiana.



Ravaka soa tsy mba hanam-petra,
Raoziko mena handrava ny tsetra,
Rakotra ilaina andro aman'alina
Ra'hoe oriory sy misento lalina.



Ohatra hendry tsy tahaka an'irony,
Omena ny haja izay farany ambony ;
Omaly tsy anio ka izay anjarako,
Olona tokona hitondra ny anarako.




                   Fredy JAOFERA

Hametraka hevitra

Midira aloha