NY VIDIN'NY RANOMASOKO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VIDIN’NY RANOMASOKO





Ho tsapanao etoana rehefa hijaly sy hanenina
ny halafon’ireo tomany tsy tanty sy nafenina ;
ny vidin-katezerana mbola mila nankarary
kanefa dia fitiavana efa hita ho nihary.




Ho takatrao ihany rehefa ho ory lalandava
ny lanjan’ny voateny toa maty sy efa rava ;
ny zoron’ny eritreritro nahatsiaro sy nikasa
kanefa tsy haiko loatra fa nivadika sy lasa.




Ho azonao ombieny rehefa iny ho potraka
ny herin’ny fitiavako mafy sy tsy motraka ;
ny hahavesatry ny sento saika nanadala,
nentiko mangina no nitombo sy tsy niala.




Ho fantatrao ery rehefa hivaky sy ho tara
ny trosa izay nilaiko tiako mbola ambara,
ny refin’ny habakabaka tsy hita ho hatraiza,
nanodina ny “ ISIKA” sy tonga mba nitaiza.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1205 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/04/2013 21:37
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149