NY VONINKAZO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VONINKAZO





Ny voninkazo dia tononkalo
vita soratra ho hasambarana
ka tsy hay amidy na atakalo
fa mampihaingo varavarana.




Ny voninkazo dia vehivavy
kolokoloina mandavataona,
na tsy tazana ho miangavy
sy tia mamoritra eny foana.




Ny voninkazo dia fitoniana
namana ilaina mahafinaritra
mampanadino izay fijaliana
raha tsoriko eto sy tsy aritra.




Ny voninkazo dia fitiavana
mamelombelona moramora,
ka mampihira tomandavana
'zay zavatra iainana isan'ora.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
888 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 26/03/2022 12:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126