NY ZANAKY NY MAZAVA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZANAKY NY MAZAVA





Ny zanaky ny Mazava
misoritra amin'ny tava
fa 'rony olona miavaka
izay mba tia mivavaka.




Ny zanaky ny Mazava
dia mahay mampisava
'reo tebiteby manadala
tsy hitombina fa hiala.




Ny zanaky ny Mazava
dia tsy kivy lalandava
fa mahay mifaly foana,
na ahoana na ahoana !




Ny zanaky ny Mazava
dia tsy mba mandrava
fa manome fiadanana
ho an'izay te hanana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
567 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123