NY ZAVA-NANGALARINA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZAVA-NANGALARINA Ny zava-nangalarina
dia tsy hahasoa anao,
na efa io namboarina
hitondra fiainam-bao.
Ny zava-nangalarina,
manan-kasina, zareo,
fa misy tompo marina
ka hampiranga toreo.
Ny zava-nangalarina
dia hafaliana vetivety
izay avy hampivarina
any amin'ny tsy mety.
Ny zava-nangalarina
dia antambo moana
izay sarotra takarina
rehefa eo manoloana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy