NY ZAVATRA MARINA IRAY (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZAVATRA MARINA IRAY





Ny zavatra marina iray
dia ianao re no fitiavako
haharitra mandrakizay,
aza hadinoina, rahavako.




Ny zavatra marina iray,
dia tsy maty akory ny lasa
fa mety averina indray
raha toa ka mbola mikasa.




Ny zavatra marina iray,
dia ianao foana no ilaiko
vao mafy ka mivaivay
ireo aloka na adin-tsaiko.




Ny zavatra marina iray
dia tsy miala ny toky nivoy
paradisa nampifandray
matoa ianao mba tsy foy !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
25 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 12/05/2026 06:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119