You are here: home > Vetso

OLANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?







OLANA





Olana ny rano
ka ory ny maro ;
izao no angano
misy ka fantaro.




Olana ny jiro
ka kivy loatra ;
mba ampidiro
fa te hivoatra.




Olana ny vary
ka rera-batana
fa tsy manjary
ny mpitantana.




Olana ny asa
ka tsy mifaly ;
ovay ito rasa
fa dia mijaly.




Fredy JAOFERA