You are here: home > Vetso

OLONA IRAY - Fredy Jaofera

OLONA IRAY





Olona iray
no manina anao
eny foana, 
sady izay
mitady vaovao,
na ahoana ?




Olona iray
no mitepo fitia
tsisy fetra
hifandray,
na aiza ny dia
ka mitsetra.




Olona iray
no ory mangina
ao am-po,
mangaihay
ka aza ampiana
ny manjo.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha