OLON'IZA ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OLON'IZA ?





Olon'iza ange ianao no hampihodina ny fiainako ?
Tsy fantatro avy akory ka nahoana no itarainako ?
Mandehana fa ny vava, tsaroako dia tsaroako,
hofohaziko rahatrizay rehefa iny ka misoko.




Olon'iza ange ianao no miseho ho mafy indrindra ?
Raha mino fa mahery, tsy ny tany, hoe, afindra !
Tsarovy fa ny avona, tsy tonga hatraiza akory
fa mbola hihaona ihany raha ny tany boribory.




Oloniza ange ianao no miseho ho tena ambony ?
Ny vola misy farany ka mety ho tsy hisy intsony !
Tadidio, ry nantenaiko, fa tsy tiako avy ny hiera
raha vonjeko na jereko rehefa iny ka hianjera !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1127 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0154