OMENAO TSINY VE ?... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OMENAO TSINY VE ?...



Omenao tsiny ve ny foko
raha tsy mitsahatra mitia
sa lazaina ho fahadisoako
ho tsy mahay manova dia ?



Omenao tsiny ve, ry tiako,
raha tia foana sy marary
sa ho anao no hafaliako
hiseho na hiharihary ?



Omenao tsiny ve, hoy aho,
sa ianao tsy te hahalala ?
Ketraka eto... Miitalaho
‘zato foko tsy te hiala !...



Raha saintsainina ny Lasa
be ny zavatra azo ambara,
tao ireo zava-nokinasa
tsy nirina ho tantara !



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1716 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119