HONTSA LAVA - Fredy Jaofera
Azo vakiana?
HONTSA LAVA
Hontsa lava ny tena
mahita anao mivena,
mahita anao mijaly
ka mandre antsaly.
Hontsa lava ny tena
mahita anao volena
'reo zava-doza maro
manimba ny tsiaro.
Hontsa lava ny tena
mahita anao hosena
miampy fangalarana
tsy misy fitsaharana.
Hontsa lava ny tena
mahita anao fefena
tsy hamoha ny tsara
ka naharatsy anjara.
Fredy JAOFERA
Sokajy :
Aingam-panahy, Alahelo, Eritreritra mandalo, fananarana, fiainana, Fiaraha-monina, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 25/06/2022
Mpamangy : 111
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AZA TEHAFINAGOGOGOGO
RANOMASO MANGIDY
MAMPISALASALA
NY VORO-MISERANA
NY TOKY
NY FEONY
VAO MISY MANONTANY
MAMAKY
RAHA TSY...