ORAN'ANDRO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORAN'ANDRO




Avy ny oran'andro,
any ny masoandro
takon-drahona ery
ka tsy afa-mankaty.



Ny soratra no lasa,
ny ainga no miasa
fa eto singan-drery
be hanina mahery.



Mando ny tontolo,
tsy tazana daholo
ny vorona rehetra
hihira sy hitoetra.



Malomaloka ihany
ka mandefa vinany ;
avy foana ny orana
ka aleoko hitsorana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
99 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/03/2025 16:20
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0144