ORY HAVA-MANANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORY HAVA-MANANA




Ory hava-manana
ka hafahafa loha :
sakantsakanana
rehefa mahasoa.



Ory hava-manana
ka feno fialonana
fa izay ninianana,
tsy azony ironana.



Ory hava-manana
ka mamorina ady ;
tsy ny fihavanana
no tiany hianjady.



Ory hava-manana
ka ny haratsiana
no fananganana
an'ireo fifaliana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
53 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 01/04/2024 15:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129