You are here: home > Vetso

OVAY NY TOEKARENA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





OVAY NY TOEKARENA





Ovay ny toekarena
fa mitotongana ny ariary ;
jereo fa mahonena
ny vahoaka izay marary.




Ovay ny toekarena
fa be mahantra ny lalana
ka mampihenahena
mahita an'ireo mivalana.




Ovay ny toekarena
fa midangana ny zavatra ;
'reo olona vonjena
fa miady saina fatratra !




Ovay ny toekarena
fa maloto ny renivohitra ;
ny fako izay jerena,
mila ho tendrombohitra.




Fredy JAOFERA