PARADISA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PARADISA





Paradisa ny tany
misy an'Andriamanitra,
ny heloka fafany
sy manga ery ny lanitra.




Paradisa ny tany
'zay iasan'ny fitiavana,
tsy manambany,
na inona, fa mihavana.




Paradisa ny tany
'zay misy ny fiadanana ;
mandry hatrany
fa lavi-pahasahiranana.




Paradisa ny tany
tena itoerana hafaliana ;
nofy ireo tomany
fa tonga feno fitahiana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
814 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113