PENINA ZATRA MISOSA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PENINA ZATRA MISOSA




Penina zatra misosa
no tonga manoratra anao
mivimbina ainga miavosa
fa manina ange tao ho ao.



Penina zatra misosa
no mitondra fitia lavareny
tsy mahalala eso na fosa
fa ireo hetaheta ombieny.



Penina zatra misosa
no manamafy hamamiana
raha anio re mbola tontosa
ny hafatra iray be fitokiana.



Penina zatra misosa
no mamoaka hasambarana,
tsy hamerimberenako kosa
ny lasa izay efa ela nifarana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
447 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118