POEZIA (2) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POEZIA





Ianao dia poezia
mamy lalandava
hitombo ilay fitia
ka mba tongava.




Ianao dia poezia
mahafaly etoana
matoa aho minia
mitaky firosoana.




Ianao dia poezia
mibaiko lavareny
ny foko hiara-dia
ka satry ombieny.




Ianao dia poezia
tsy mety atakalo
ka hoy aho, avia
hiaraka ny hikalo.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
151 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 30/05/2026 16:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0245