You are here: home > Vetso

RAHA DEMOKRASIA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




RAHA DEMOKRASIA





Raha demokrasia
no amoaha-miaramila
ny seza, matokia,
mbola hitsingilahila !




Raha demokrasia
no fanapoaham-basy,
ataoko fa minia
ny hamono Malagasy.




Raha demokrasia
no fisamboran'olona ;
vetivety dia hania
fa tsy izay no tolona.




Raha demokrasia
no fanampenam-bava,
mbola hampahia
ny misy ka handrava.




Fredy JAOFERA