RAHA FITIA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA FITIA...





Raha fitia tsy manan-kasambarana
No tadiavinao ho antsika
Aoka re tsy atao izay hanaparana
Ny tetika mandriaka !…




Raha fitia tsy manan-kantenaina
No tadiavinao ho ahy,
Mangataka aho re tsy hotanisaina
‘zay nahafaly ny fanahy.




Raha fitia tsy manan-kianteherana
No tanjona eto hatrany,
Aoka re fa mila hahabe fitserana
Sy mankarary izany.




Raha fitia tsy manan-kojerena
No atolotrao ny foko
Aleoko re miala hitady fandresena
Tsy tia ny vokovoko.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1536 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116