RAHA MISY DIAVOLANA... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA MISY DIAVOLANA...




Raha misy diavolana ity aliko ity,
raha misy marina mitondra fitia,
tsaroako foana no sady tsy miato
ny mamy rehetra toa tsangambato.



Raha misy diavolana ity aliko ity,
raha misy fo ravo midona hatraty,
aza hadinoina fa be ahatsiarovana
'reny hantahanta rehefa torovana.



Raha misy diavolana ity aliko ity,
raha misy mazava hahitako ny dia,
aza hadinoina fa izay hirantsika,
kanto dia kanto ka nahabaliaka.



Raha misy diavolana ity aliko ity,
raha misy hafanana, tsarovy satria
mbola ianao irery no malala niriko
hamotika etoana izay fijaliako.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1069 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117