You are here: home > Vetso

RAHA NANAN-DRENY... - Fredy Jaofera

Azo vakiana?





RAHA NANAN-DRENY...





Raha nanan-dreny
ny foko amam-panahy,
tsy nohosihoseny,
n'aiza n'aiza fa niahy !




Raha nanan-dreny
ny alahelo nampahory,
tsy hita novoleny
ny latsa be nanorisory.




Raha nanan-dreny
ny ady mafy nahakivy,
tsy mba nofefeny
ny tarigetrako in-tsivy.




Raha nanan-dreny
ny fihafiana nanadala,
tsy nahay nanjeny
ny eritreritra tsy niala.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 09/08/2020
Mpamangy : 86
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO
FISARAHANA
LALINA
NY FANANAM-PAHATSORANA