You are here: home > Vetso

RAHA TEO FOANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




RAHA TEO FOANA





Raha teo foana ianao
nitondra ahy torimaso,
ritra mora fa tsy tsaho
'reo hita ho ranomaso.




Raha teo foana ianao
nitondra lamin-tsaina,
niroborobo tao ho ao
'reo toky nantenaina.




Raha teo foana ianao
nitondra fahasoavana,
azo inoana fa nandao
'reo tebiteby goavana.




Raha teo foana ianao
nitondra fanohanana,
'zay rehetra ka natao,
nitory ahy fiadanana.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha