You are here: home > Vetso

RAHA TSY... - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






RAHA TSY...





Loza ny tenda
rehefa toa manako
raha tsy kenda
tsy mahay mitsako !




Loza ny avo
rehefa ahindrahindra,
raha tsy lavo
tsy mahay mamindra.




Loza ny vola
rehefa hajaina loatra
raha tsy njola
tsy mahay mivoatra.




Loza ny soa
rehefa anambaniana,
raha tsy voa
tsy mahay mangina.




Fredy JAOFERA