You are here: home > Vetso

RAHA TSY TEO... - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


RAHA TSY TEO…





Raha tsy teo ianao, ry Dada,
dia tsy nisy ahy akory ;
fa ho redireby nampirada
‘zao tany izay mitory !



Raha tsy teo ianao, ry Dada,
dia taiza no niankinana ?
Misaotra hatrany fa tsy sada
ny fitia sy fanambinana.



Raha tsy teo ianao, ry Dada,
dia taiza no niantoraka ?
Koa aza tsiny raha toa lada
Ny arahaba feno tsoraka.



Raha tsy teo ianao, ry Dada,
ho inona no hoaviko ?
Angamba aho mbola nibada
sy mafy izay nodiaviko.




Fredy JAOFERA