RAHA VELON-DRENY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA VELON-DRENY




Raha velon-dreny
ny fo amam-panahy,
tsy mba nisy ireny
tebiteby sy ahiahy.



Raha velon-dreny
ny sedra nanadala
dia tsy mba niteny
fa moramora niala.



Raha velon-dreny
ny alahelo marina,
nisy toky ombieny
feno tsiky niarina.



Raha velon-dreny
'reo fahombiazako,
ho mamy lavareny
no nanjary tazako.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
308 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115