RAHOVIANA ? (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHOVIANA ?...





Rahoviana vao hohiraiko
ny hira tsara indrindra ?
Rahoviana no hantenaiko
'zay lamina sy rindra ?




Rahoviana vao hifarana
ny ady maro nampahosa ?
Rahoviana ho hasambarana
no hitobaka sy hiavosa ?




Rahoviana no handrotsy
'zany feon’ilay valiha ?
Rahoviana ho volafotsy
no handravaka ny dia ?




Rahoviana vao ho manga
'zay mba lanitra jerena ?
Rahoviana vao hitranga
ny haravoana sesehena ?




Fredy JAOFERA
(Antaninarenina, Alatsinainy 03 Oktobra 1983 amin'ny 13h07mn 52s)
--------
Lien:
807 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3475