RAIAMANDRENY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAIAMANDRENY





Raimandreny no niantorahana
tamin'ireny disadisa
nefa 'zahay dia nandaharana
latsalatsa sy ny sisa.




Raiamandreny no niantsampazana
tamin'ireny sedra maro
nefa 'zahay dia nofafazana
teny mafy ka fantaro !




Raiamandreny no nandrandraina
tamin'ireny fitsapana
nefa 'zahay dia nofosaina
impiry tsy hay rarana !




Raimandreny no nidodododoana
tamin'ireny ranomaso
nefa 'zahay dia nandrosoana
vava lava ka be maso !





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Aingam-panahy
1603 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117