RAOELFIA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOELFIA



Iza moa iny olona mijaikojaiko,
mamingavinga no mibaikobaiko ?
Iza moa iny fa tsy tiako im-polo
fa manaratsy no toa vorondolo ?


Iza moa iny fa toa tsy mitafa,
tia miavonavona no hafahafa ?
Iza, ho'aho, iny fa ratsy fanahy,
mieboebo ka mahasosotra ahy ?


Iza moa ity tsy mahataho-tody
manosihosy sy mikapoka atody ?
Iza moa fa mankarary hatraty
sa izy tokoa no Raoelfia ?


Andraso fa ho avy ny farany,
hahamoana ny tena tantarany,
hahalalany fa ny zavatra atao,
misy fetra sy mety mandao !




Fredy JAOFERA
(1985)
--------
Rohy:
720 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 09/07/2015 12:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.05