RATRA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RATRA




Marary re ny foko,
miteby koa ny saina :
nanjary niova loko
ny efa nantenaina.




Ny andro izay nihira,
lasa toa tsy tratra ;
'reo hany sovenira
nanjary feno ratra.




'lay tanàna tiako
feno vorondolo ;
'reo izay niriko,
tonga bobongolo.




Mamely re ny ratra,
mandoro hafahafa ;
mbola mba tsy zatra
ka nampijafajafa.





Fredy JAOFERA
( 1983 )
--------
Lien:
1526 0
Commentaires
ampasanomby ( 04/06/2017 09:35)
Tsara e!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117