You are here: home > Vetso

REHEFA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




REHEFA





Rehefa alahelo
no mameno ny fo,
maharotsa-delo
'tony sento manjo.




Rehefa tomany
no miraradraraka,
ny sedra ihany
no avy manaraka.




Rehefa tanisa
no namana irery,
toa mila kisa
ny ratra sy fery.




Rehefa anjoria
no tadidy marina,
mila hankahia
vao indro itarina.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha