REHEFA HIOVA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA HIOVA




Rehefa hiova fitoniana
ny androm-panahiana
dia hisy hasambarana
hivoy ny fandaharana.



Rehefa hiova fitoniana
ny ranomaso nijaliana
dia hipoitra ny tontolo
ho hita eny hiova volo.



Rehefa hiova fitoniana
ny namely sy tsy tiana
dia tsarovy lalandava
fa sento maro hisava.



Rehefa hiova fitoniana
ny taonan'ny hakiviana
dia hisy fahagagana
tsy hanam-piafarana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
573 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117