You are here: home > Vetso

REHEFA HITANY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




REHEFA HITANY





Rehefa hitany
fa kotsa ny maso
dia nosoritany
hiala ny an-kaso.




Rehefa hitany
fa kivy ny tenako
dia mba vitany
tsy ho tangenako !




Rehefa hitany
fa mafy ny adiko
dia ny kintany,
nitsilo ny hadiko.




Rehefa hitany
fa sento no teraka
dia nofaritany
tsy hiasa tanteraka.




Fredy JAOFERA








Hametraka hevitra

Midira aloha