You are here: home > Vetso

REHEFA ISIKA SAMY ISIKA - Fredy Jaofera




REHEFA ISIKA SAMY ISIKA





Rehefa isika samy isika
no misaina ny hifamely
dia tsy hisy hanjopiaka
'reo tigetra, na dia kely.




Rehefa isika samy isika
no mikendry hifandrafy
dia manofisa raha adika
ny vinavina 'zay nafafy.




Rehefa isika samy isika
no mitady ny hifamono
dia raketo fa hampipika
fandresena fa tsy hono.




Rehefa isika samy isika
no mitetika hifamotika
dia aleoko hamikavika
fa ny fo voarotidrotika.




Fredy JAOFERA