REHEFA LASA NY FITIAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA LASA NY FITIAVANA





Rehefa lasa ny fitiavana
dia lasa ny fanantenana
ka mitiava fa ilay avana,
tsy mitady fankahalana.




Rehefa lasa ny fitiavana
dia lasa ny fanambinana,
alahelo no hihagoavana
sy tsy hivoy filaminana.




Rehefa lasa ny fitiavana
dia lasa ny fananganana,
na misy aza ny finiavana,
ny tena hoe : fiadanana.




Rehefa lasa ny fitiavana
dia lasa ny fandrehetana
hafaliana tomandavana
hahitam-pahafinaretana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
674 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115