REHEFA MANAHIRANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MANAHIRANA Rehefa manahirana
ny zavatra atrehina
dia sarotra Ifikirana
izy iny re ho tehina.
Rehefa manahirana
ny fiainako rehetra,
tsy mba azo idirana
izy iny ka mitsetra.
Rehefa manahirana
ny fitia efa ela nitory,
mitaona fifandirana
tsy ilaina eto akory.
Rehefa manahirana
ny olana mibahana,
tsy olo-mahamirana
ka aleo hisintahana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisarahana - Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Alahelo - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy