REHEFA MANAN-DRANOMASO... (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MANAN-DRANOMASO...




Rehefa manan-dranomaso,
miomàna handraraka azy
fa nanadala ny hasohaso
ka vaky hatramin'ny vazy.



Rehefa manan-dranomaso,
ho vetivety dia hikoriana
fa tsy azo atao : andraso
rehefa iharam-pahoriana.



Rehefa manan-dranomaso,
aza sakanana tsy hivoaka
fa avy hatrany dia alefaso
ho feno jaly izay hitsoaka.



Rehefa manan-dranomaso,
alaivo etoana ilay mosoara
ka fafao re fa itony ankaso,
manelingelina ny anjara.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
865 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119