REHEFA MARARY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA MARARY





Rehefa marary
ny nofy tsy tanteraka,
ny ora manjary
sento be mandreraka.




Rehefa marary
ny rava nohadinoina,
na dia ny vary,
tsy hita ho manoina.




Rehefa marary
ny lasa niampy fosa,
misy hita sary
'reo fotoana nahosa.




Rehefa marary
ny vava izay nafafiny,
na dia ny voary,
mamoy ny ankolafiny.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
943 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0127